Aller au contenu

Vondrom-poko ao Azia Atsimo

Avy amin'i Wikipedia
Azia Atsimo

Ny vondrom-poko ao Azia Atsimo dia vondrom-poko ara-pitenin' ny mponina samihafa any Azia Atsimo, anisan' izany ny vahoava any Bangladesy, any Botàna, any India, any Maldiva, any Nepaly, any Pakistàna, ary any Srilanka. Na dia heverina ho anisan' i Azia Afovoany sy i Azia Atsimo aza i Afganistàna dia tsy tafiditra ao anatin' i Azia Atsimo ny Afgana.

Ao anatin' ny vondrona ara-piteny telo lehibe ny ankamaroan' ny mponina: ny Indô-ariana sy ny Dravidiana ary ny Iraniana. Mizara ho sarangam-poko na fokom-pianakaviana ny fiarahamonina indiana sy nepaley ary srilankey; tsy manana sata ôfisialy ireo sokajy ireo tao India hatramin' ny nahazoany fahaleovantena tamin' ny taona 1947, afa-tsy ny sarangam-poko sy fokom-pirenena lisitra anaty lisitra, izay mbola misoratra anarana ho amin' ny asa sy hetsika ilaina. Ao India ankehitriny dia voasokajy arfaka ny fitenin-dreny miisa 1 652 ny mponina.

Ireo vondrona ireo ihany koa dia mizara idray ho zana-bondrona sy sarangam-pokoa ary fokom-pirenena maro. Ny Indô-ariana no mandrafitra ny vondrom-poko ara-piteny lehibe indrindra any India (India Avaratra, India Atsinanana, India Andrefana, ary India Afovoany), any Bangladesy, any Pakistàna, any Nepaly, any Srilanka, ary any Maldiva. Ny Dravidiana no mandrafitra ny vondrom-poko ara-piteny fantatra indrindra any amin' ny tapany atsimo amin' i India, ny tapany avaratra sy atsinanana amin' i Srilanka ary ampahan-tany kely any Pakistàna. Hita betsaka any Azia Atsimo koa ny Vahoaka Iraniana ka any Pakistàna ny ankamaroany.

Ny vondrona vitsy anisa tsy tafiditra ao anatin' ny vondrona lehibe dia miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika sy tibetô-birmana ny ankamaroany, ary monina manodidina an' i Ladakh sy amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i India, any Nepaly, any Botana, ary any Faritra be havoan' i Chittagong any Bangladesy ny ankamaroany. Mipetraka any amin' ny vondro-nosy Andaman sasany ny Andamaney (Sentinely, Ônga, Jaraoa, ary Andamaney Lehibe) ary miteny amin' ny fiteny manirery, toy ny Kosonda any afovoan' i Nepaly, ny Vedà any Srilanka, ary ny Nihaly any India Afovoany, izay miisa eo ho eo amin' ny 5 000. Mponina hafa miavaka ny mponina ao amin' ny Lohasahan' i Hunza ao Pakistàna; miteny borosasky, izay fiteny manirery, izy ireo.

Nisaraka ny fomban' ny vondrom-poko samihafa any Azia Atsimo, niharan' ny kolontsaina avy any ivelany, indrindra ny any amin' ny tapany avaratra-andrefana amin' i Azia Atsimo ary koa ny any amin' ny faritra an-tsisintany sy misy seranan-tsambo be atao, izay misy fifandraisana bebe kokoa amin' ny kolontsaina avy any ivelany. Be dia be ihany koa ny fahasamihafan' ny fototarazo ao amin' ilay faritra. Ohatra, misy ifandraisany amin' ny olona any atsinanana na atsimo-atsinanana ny ankamaroan' ny vondrom-poko any amin' ny tapany avaratra-atsinanana amin' i Azia Atsimo. Misy ihany koa vondrona mitoka-monina izay tsy mandray ny kolontsain' ny vondrona hafa, toy ny Jaraoa ao amin' ny vondro-nosy Andaman. Ny Indô-ariana, izay mahatratra 1 lavitrisa eo ho eo, no vondrona ara-poko sy fiteny lehibe indrindra any Azia Atsimo, ary ny mpiteny amin' ny fiteny hindy, izay mahatratra 470 tapitrisa mahery, no zana-bondrona lehibe indrindra.

Mifototra amin' ny fiteny fotsiny ireo vondrona ireo fa tsy mifototra amin' ny fototarazo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]