Petsenega (vahoaka)
Apparence
![](https://cdn.statically.io/img/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f0/The_Pechenegs_defeating_the_Rus%2C_from_the_Skyllitzes_Matritensis%2C_fol._173r%2C_%28Public_Domain%29_via_Creative_Commons.jpg/272px-The_Pechenegs_defeating_the_Rus%2C_from_the_Skyllitzes_Matritensis%2C_fol._173r%2C_%28Public_Domain%29_via_Creative_Commons.jpg)
Ny Petsenega dia vahoaka torkika mpifindrafindra monina izay niseho tamin' ny taonjato faha-8 teo amin' ny sisin-tany atsimo-atsinanan' ny Empira Kazara. Atao hoe Peçenekler izy ireo amin' ny teny tiorka, Besenyők amin' ny teny hongariana, Pecenegi amin' ny teny romaniana, ary Печенеги / Petsenegi amin' ny teny rosiana.
Niorim-ponenenana ao avaratry ny Ranomasina Kaspiana tany amin' ny taonjato faha-10 izy ireo. Araka ny angano, izy ireo no vondrom-pianajaviam-poko Petseneka ao amin' ny Ôgozy, avy amin' i Dağ Han ("Andrianan' ny Tendrombohitra"), iray amin' ireo zanakq enin' i Oghuz Khan, izay heverina ho razamben' ny Tiorka.