Aller au contenu

Marksisma

Avy amin'i Wikipedia
I Karl Marx sy i Friedrich Engels.

Ny marksisma dia firehana ara-pôlitika, ara-tsôsialy, ara-pilôzofia, ara-tantara, araka antrôpôlôjia ary ara-toekarena mifototra amin' ny hevitr' i Karl Marx (ary koa araka ny hevitr' i Friedrich Engels amin' ny ampahany kely) sy ny mpandimby azy. Amin' ny lafiny pôlitika, ny marksisma dia mifototra amin' ny fandraisana anjara amin' ny hetsika momba ny adin-tsaranga, mba hahatongavana amin' ny fiarahamonina tsy misy saranga, tsy misy fitondran' ny patriarika, demôkratika, mamarana ny fisian' ny Fanjakana (alemàna: Staat) ary mifototra amin' ny fananana iombonana sy demôkratika momba ny fitaovam-pamokarana amin' ny maha dingana mandimby ny kapitalisma azy: ny kôminisma. Tsy toy ny anarsisma izay manatratra tanjona mitovy amin' izany amin' ny alalan' ny demôkrasia mivantana ny marksisma izay manankina ny asany amin' ny atao hoe "jadon' ny mpiasa" (atao hoe Proletariat).

I Karl Marx tokoa dia nihevitra fa "ny fanafahana ny mpiasa dia tsy maintsy asan' ny mpiasa", noho izany dia amin' ny alalan' ny hetsika iombonana no ahafahana manova sy tsy maitsy anovana ny fandaminana ara-toekarena sy ara-piarahamonina.