Aller au contenu

Emirata Arabo Mitambatra

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Emirata Arabo Mitambatra
Ny toerana misy ny Emirata Arabo Mitambatra

Ny Emirata Arabo Mitambatra dia fanjakana federaly niforona tamin' ny taona 1971, izay hita ao Atsinanana-Afovoany eo anelanelan' ny Hoala Persika sy ny Hoalan' i Ômàna. Izao avy ny emirata miisa fito mamorona azy: Abu Dhabi, Dubai, Sharjah, Ajman, Umm al-Qaiwain, Fujairah ary Ras al-Khaimah. Ny tanànan' i Abu Dhabi no renivohitra iraisany. Atao hoe Emiriana na Emiraty ny vahoaka ao aminy.

Sarintanin' ny Emirata Arano Mitambatra

Atao hoe الإمارات العربية المتحدة / al-imārāt al-ʿarabiyyat al-muttaḥida na دولة الإمارات العربيّة المتّحدة / dawlat al-imārāt al-ʿarabiyyat al-muttaḥida izy amin' ny teny arabo.

Anisan' ny firenena mpamokatra sy mpanondrana solitany be indrindra ny Emirata Arabo Mitambatra. Ny emiratan' i Abu Dhabi, izay efa tao amin' ny Fikambanan' ny Firenena Mpanondrana Solitany talohan' ny niforonan' ny Emirata Arabo Mitambatra, no ahitana tahirin' etona sy tahirin-tsolitany lehibe indrindra, Ireo emirata fito mitambatra ao ireo dia tsy mitovy raha ny fananana solitany no resahina. Nivadika nitrandraka loharanon-karena hafa ny Emiratan' i Dubai taty aoriana, ka anisan' izany ny seranan-tsambo afa-kaba, ny haitao vaovao, ary indrindra ny fizahàn-tany. Lasa renivohitra ara-toekaren' ny Emirata Arabo Mitambatra koa ny tananan' i Dubai.

Ny fizaràn' ny tanin' ny Emirata Mitambatra

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho emirata fito, izay ahitana faritra maromaro nofoanana ny sisin-taniny nefa manjavozavo indraindray ny fiandrianany, ny Emirata Arabo Mitambatra.

  • Ny Emiratan' i Abu Dhabi no lehibe indrindra amin' izy fito. Ahitana an' i Abu Dhabi izay renivohitr' ilay firenena. Mirefy 67 340 km2 ny velarany sady misy mponina miisa 2,78 tapitrisa tamin' ny taona 2015.
  • Ny Emiratan' i Dubai dia manana velarana 3 885 km2, manana morontsiraka ao amin' ny Hoala Persika, misy mponina miisa 3 478 300 tamin' ny taona 2021. Ao no ahitana ny tanàna malazan' i Dubai.
  • Ny Emiratan' i Sharjah dia mirefy 2 590 km2 ary misy mponina mihoatra ny 1 400 000 tamin' ny taona 2015.
  • Ny Emiratan' i Ajman dia manana velarana mirefy 259 km2 sy mponina miisa 504 846 tamin' ny taona 2017. Any amin' ny morontsiraky ny Hoala Persika no misy an' i Ajman.
  • Ny Emiratan' i Umm al-Qaiwain any amin' ny tapany avaratr' ilay firenena, nisy mponina miisa 72 000 tamin' ny taona 2007 ary mirefy 770 km2.
  • Ny Emiratran' i Fujairah mirefy 1 166 km2 sady misy mponina miisa 256 256 tamin' ny taona 2019.
  • Ny Emiratran' i Ras Al Khaimah mirefy 2 486 km2 sady nisy mponina 345 000 eo ho eo tamin' ny taona 2015.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]